| Malagasy definition (Famaritana malagasy) | |
Alantsora, ala be sora, no toa hevitry ny anarany
(sora: biby toy ny sokina, saingy madinika, misoratra
vony mitsoriadriaka).
Ery amin-ny Asorotanin' i Antananarivo, atsinana somary
atsimo keliny, i Alasora, tazana tsara mierinerina,
manamanana endrika izaitsizy, mavamavana erý
an-dafin-ny ony Ikopa. Tanàna tena mana-tantara
eto amin-ny Nosy i Alasora, tranainy be, efa tao hatramin-ny
400 taona mahery, nalaza talohan-Ambohimanga sy Antananarivo... [Ravelojaona 1937]
|